Feno 20 taona ny Paositra Rapida. Hanamarihana io tsingerintaona io amin’ny fomba ofisialy ny fisantarana azy ao amin’ny tanànan’i Nosy Be
. Mendrika ny hisitraka ny tolotra fitsinjarana sy fizarana entana haingana avy amin’ny Paositra Malagasy ity toeram-pizahantany sy ara-toekarena miavaka eto Madagasikara ity. Hiandraikitra sy hanamora ny fifamezivezen’ireo karazan’entana any amin’iny faritra avaratry ny nosy iny manomboka ny 27 novambra 2015 izao ny orinasam-pifandraisana Paoma.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.