Actualités

Paositra Malagasy Misy ny fitaovana vaovao manafaingana ny asa


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Ankoatra ireo tolotra marobe misy ao amin’ny Paositra Malagasy dia nanaitra ny maro ny fisian’ny fitaovana lehibe naseho nandritra ny foara FIM tetsy amin’ny Forello expo Tanjombato.

 

 “Machine à affranchir” no anaran’ilay fitaovana vaovao ary manafaingana tanteraka ireo dingana isan-karazany izay ataon’ny mpanjifa. Rehefa manatona ny paositra ny olona taloha ka handefa taratasy dia tsy maintsy mividy hajia aloha. Aorian’izay dia milelaka ny hajia hametahana azy amin’ny taratasy alefa, izay vao entina lanjaina indray izay vao alefa. Ity fitaovana vaovao ity anefa manao indray mandeha monja ny dingana rehetra tsy maintsy atao. Izany hoe sady mandanja no mametaka hajia ary mivoaka poa toy izay ny vola tokony haloa. Mamaha olana amin’ny fivezivezena sy ny filaharan’ny mpanjifa ary koa manafaingana ny asan’ny mpiasa ity “machine à affranchir ity” kanefa tsy nisondrotra ny vola takiana fa mitovy ihany.

 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT