Omaly no natao tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny fanaovan-tsonia hanaovana ilay fikaonan-doha tsy ara-potoanan’ireo solontenan’ny fikambanan’ny firenena Afrikana momban’ny paositra (UPAP).
Nandritra ny fivoriana faha 36 n’ny filankevitry ny fitantanan’ny UPAP tany Nairobi tamin’ny volana mey 2017 mantsy no nahavoafidy an’i Madagasikara handray ity fikaonan-doha ity.Andiany faha5 ity fihaonana ity ary hotanterahina eto Antananarivo ny faha 26 sy 27 ny volana jolay 2018 ho avy izao. 43 ny firenena ho avy ary hahatratra hatrany amin’ny 300 ireo delegasiona handinika ny fanjifana eo anivon’ny paositra Malagasy. Raha tsiahivina dia 250 ny masoivohon’ny paositra eto Madagasikara izay miezaka manamora ny fikirakirana ara-bola satria iaraha-mahalala fa mbola vitsy ny olona no afaka miserasera eny amin’ny banky. Ankoatr’izay mitsinjo ny tontolo eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny tahiry (epargne rurale) izay mitarika ny olona hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna ny Paositra Malagasy. Olana tokony hovahana kosa ny mbola ny tsy fivelaran’ny sehatra hiasan’ny Paositra Malagasy. Eo ihany koa ny fivoaran’ny teknolojia indrindra ny tontolo nomerika izay tokony hotratrariny haingana hanomezana fahafampo ho an’ny mpanjifa sy hampandrosoana ny ara-toekarena.
Omaly koa no natao tetsy amin’ny Biraon’ny Paositra Malagasy Antaninarenina ny famindram-pahefana teo amin’ny tale jeneraly taloha, Andriamatoa Stephanoel Razafimanantsoa sy ny tale jeneraly vaovao, Andriamatoa Nirina Augustin Rakotomalala.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.