Actualités

Paompin-drano Manomboka amin’ny 1 ora maraina ny filaharana


  • Alarobia 18 Janoary 2017

Niova endrika tanteraka ny filaharan-drano teny amin’ny paompy nanomboka omaly.

Ankoatra ireo mpaka rano mahazatra dia tonga nanatevin-daharana teny amin’ireo paompy eto an-drenivohitra ihany koa ireo tokantrano maro samihafa, noho ny fandrenesana fa tsy hisy rano intsony eto  Antananarivo, afaka efatra andro. Nanomboka tamin’ny 1 ora maraina omaly dia efa saika feno bidon nilahatra teto an-drenivohitra mba hanangonan-drano. Ho an’ny paompin-drano iray etsy Manjakaray dia an-jatony ireo bidon niandry rano, omaly, satria nisy tokantrano nanana “bidon” efa ho  30 nalahatra. Eo an-danin’izay anefa, araka ny fanazavan’ny mpiandry ity paompy ity, dia efa ny 1/3-n’ny rano nandeha ara-dalàna teo aloha sisa no mandeha ankehitriny sady tapa-dava ihany koa. Ho an’ireo olon-tsotra sasany tsy manana fahafahana hividianan-drano kosa indray dia nisy ireo namonjy tanimbary mba hakana izany, izay nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa tokony hotatavanina aloha, apetraka indray andro dia hampangotrahina izay vao sotroina mba hiarovana ny fahasalamana. Tena misy voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny olona ny tsy fahampian-drano, hoy izy satria mila rano avokoa ireo taova sy sela rehetra ao anaty. Reraka avy hatrany ny olona iray raha vao tsy ampy rano, marefo ihany koa ny hery fiarovana ao anatiny hany ka mora azon’ny aretina izy toy ny tazo, ny kohoka, ny fivalanana, indrindra fa ny zaza. Miantso ny rehetra mba tsy handoro tanety izy satria vokatr’izany no mahatonga izao hain-tany eto amintsika izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT