Tsy natao hankahalana vahiny fa efa tena manafintohina ny ataon’ireo teratany Pakistanais sasany na ireo teratany vahiny avy any Pakistan tonga eto Madagasikara tato ho ato.
Mandeha ny fakana an-keriny sy fifampitifirana, dia izy ireo no voatonona. Vao ny herinandro teo, ohatra, no nisian’ilay fitifirana nahavoa sy nahafaty tovovavy iray tany Toliara. Mety efa ifanaovan’izy ireo ny fakana an-keriny sy ny fifamonoana ankoatra ny mety ambadika politika, saingy tsy izy samy izy ihany no mizaka ny vokany. Miantraika amin’ny toekarena io rehefa halalinina, toy ny tsy faharisihan’ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola hafa avy any ivelany noho ny tsy fisian’ny antoka amin’ny fiarovana ny ainy vokatry ny laza ratsy efa mielipatrana. Mandeha ny resaka fipetrahana eto amintsika an-tsokosoko, dia mbola izy ireo ihany, ka porofon’izany ny fahatrarana ireo 12 lahy nivarotra finday teny Analakely. Io indray ny resaka vary efa potika sy lo tany Toamasina, saika hamidy sy haparitaka hohanin’ny Malagasy, dia mbola izy ireo hatrany no voatonona. Manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena eto ny asa fandraharahana ataony, saingy toa gaboraraka sy mamotika indraindray. Tsy tokony hisy henamaso io hoe mampiasa vola sy manankarena, dia afaka hanao izay saim-patany eto amin’ny tanintsika, saingy toa milefitra na miraviravy tànana ny manampahefana Malagasy. Hakariny tsikelikely ny daozin’ny fandikan-dalàna, ary rehefa manaiky lembenana hatrany isika, indrindra ny mpitondra, dia vitany hatramin’ny mibodo sy mividy ambongadiny ny tanim-bahoaka. Tsy ny vahiny ihany koa anefa no homen-tsiny be fahatany lava eto fa ny tenantsika manaiky habadoina sy diso tia kely sy tsy mijery lavitra, ka ho diso hevitra amin’ny mety ho fankahalana vahiny be fahatany. Raha tsy hiresaka afa tsy ny fibodoan-tany, ohatra, dia tsy misy sinoa na karana mihitsy ny olom-panjakana manome sy manasonia ireny fa Malagasy toa antsika ihany. Isika no mila miova voalohany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.