Actualités

Paikady hifehezana ny asa fanaovan-gazety Mitombo isa ireo manakiana ny fitondram-panjakana


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Herintaona mahery izay no naha lalàna manan-kery ny fehezan-dalàna momba ny serasera. Tsapa ankehitriny fa manampy trotraka ary tsy mamaha olana velively araka ny nampanantenaina ny « fampiharana » azy kanefa dia natao amboletra ny fandaniana ny lalàna,

izay naroso ho toy ny fanafody mahagaga itsaboana ny aretina rehetra mahazo ny tontolon’ny asa an-gazety sy ny serasera, hoy ny Ilontsera (Mpanara-maso mahaleo tena ny tontolon’ny serasera sy ny fampitam-baovao). Toa mampetimety ny tombontsoa ara-politika sasany ny lesoka misy sy ny fampitarazoana ny fananganana ny rafitra isan-tokony takian’ny lalàna. Na dia teo aza ny fanamarihana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny amin’ny tokony hametrahana mazava ny maha-mahaleo tena ny ANRCM (Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée), rafi-pahefana mifehy ny tontolon’ny serasera, dia tsy nasiana fotony izany. Na dia milaza ihany koa ary ny lalàna fa tokony hatsangana ao anatin’ny 12 volana aorian’ny famoahana azy hanan-kery ny ANRCM dia tsy tanteraka izany na dia ny volana oktobra 2016 aza no efa navoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana ny fehezan-dalàna. Ohatra amin’ny lesoka ny momba ireo mpikambana 11 mandrafitra ny ANRCM satria telo ihany no solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ny 8 dia avy amin’ny sehatr’asam- panjakana avokoa. Ity rafitra ity anefa no tokony handray ny fitarainana, toy ny nahazo ireo mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery mpanohitra, izay voahilika tamin-kerisetra tsy navela hanatrika « Conférence de presse » na dia vaovao ilain’ny besinimaro (d’utilité publique) aza no resaka tao. Tsy azo antenaina ho avy amin’ny Holafitry ny Mpanao gazety no mety hipoiran’ny vahaolana satria na ny ao aza toa misavorovoro sy misara-bazana. Ny fanavaozana ny karatra maha mpanao gazety matihanina sy ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra no mahadodona. Tsy noraharahiana ny antso avo nataon’ny Filoha lefitra dimy avy amin’ny faritany na ny nataon’ny Fikambanan’ny Mpanao gazety Zoky Olona (CDJ), ka dia toa irosoana indray ny fampiasana ny bontolo sy amboletra. Mampametra-panontaniana ihany koa ny mikasika ny Sehatra ifanakalozan-kevitra (Plateforme de dialogue) izay zary atao « rahampitso, rahampitso » lava kanefa dia ny Filoham-pirenena tenany mihitsy, ny volana aogositra 2016, hoy hatrany ny Ilontsera.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT