Actualités

Orlando Robimanana « Misy vola azo hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy eto »


  • Talata 08 Mey 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa Atoa Orlando Robimanana manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Nambarany fa tsy marina ny filazana fa tsy misy ny vola entina hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy.

Misy vola tokoa eto Madagasikara, hoy izy  saingy ny fitsinjarana azy ho fitsinjovana ny sosialim-bahoaka no tsy misy. Mandeha any amin’ny fitsinjovana ny tombontsoa manokan’ireo mpitondra sy manampahefana isan-tsokajiny ary ireo vahiny izany, hoy hatrany izy. Mbola maro ihany koa ireo fandanilaniam-poana ataon’ny mpitondra fanjakana izay tsy mankany amin’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy akory. Toy izany, ohatra, ny vola voasoratra fa laniana isan-taona ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Raha jerena fotsiny anefa ny tranom-panjakana misy eto amintsika dia  na ny  fanavaozana azy ireny aza tsy misy akory. Tsy mazava ny andraikitry ny fanjakana satria nitsabaka tamin’ny anjara andraikitra sy ny sehatra rehetra izy. Mpametraka ny fitsipi-dalao sy mpanara-maso sady mpifaninana izy ireo. Nidiran’ny fanjakana avokoa ny seha-pamokarana rehetra ary hadinony ireo tena andraikitra fototra tokony ho nosahaniny. Nifangaro avokoa ny fanjakana tsy refesi-mandidy sy ny fanjakana mampiasa vola any anaty orinasa, ny asa fiahiana sy ny asa fitantanana, ny fanalalahana sy ny fanaovana ampihimamba, hoy i Orlando Robimanana. Tsy nahatanteraka ny andraikiny izay tokony ho notanterahiny ny fanjakana, indrindra teo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fiahiana ara-tsosialy ny vahoaka sy ny fanomezana hasina ny kolontsaina maha malagasy. Tsy ampy velively ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena na eo amin’ny sehatra ara-panjakana na eo amin’ny sehatra tsy miankina. Eo amin’ny resaka politika indray dia lasa mivarina any amin’ny fiderana olona iray na fanaratsiana olona sisa (culte de personnalité)  ny adihevitra politika misy eto amin’ny firenena fa tsy mifantoka velively any amin’ny fitadiavana ny olana sy ny vahaolana hamahana izao fahantrana lalina iainan’ny vahoaka izao. Ireo no ampahany tamin’ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra notanterahin’i Orlando Robimanana tany Manakara ny faran’ny herinandro teo. Ny hisian’ny fahatongavan-tsaina eo amin’ny mpitondra, indrindra ny vahoaka tantanana moa no tena tanjony amin’izany satria mbola azo atao tsara ny manavotra an’i Madagasikara.

Pati


 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT