Actualités

Orinasan-tserasera Mpanao gazety ampolony rahonana horoahina


  • Talata 27 Jolay 2010


Resaka fifampitondrana ao an-toeram-piasana no fototry ny olana, narahina teny tsy voahevitra manivaiva olombelona, mifanohitra amin’ny fomban-tany. Ny sofina ankilahila ary ny rindrina aza mandre, ny nanatri-maso manidy vava fa araka ny fantatra dia Frantsay vavy no rangory fototry ny afo. Nampiaka-peo ny mpiasa ary nitaky ny hialan’io vahaza io hampilamina ny raharaha. Nihenjana ny tady ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanaiky lembenana koa anefa ilay vazaha, ary toa mahazo vahana aza satria tsy ilaozan’izay mpisolelaka ao am-piasana, ary dia mandrahona ny handroaka mpiasa. Araka ny fantatra dia mpanao gazety ampolony no tandindomin-doza amin’ny asany manoloana izany, rahonana horoahina. Ho hita eo ny tohiny !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT