Tsy nitazam-potsiny ny fahavoazana izay nanjo ny mponina ao Sampananefatra kaominina Ambatomainty Distrikan’Amparafaravola ny Orinasa Yuan’s Madagasikara, fa nitondra fanampiana ho azy ireo toy ny vary fotsy 10 gony sy fitafiana ho an’ny ankizy latsaka ny 13 taona ny faran’ny herinandro teo.
Tonga tany an-toerana nanolotra izany ny mpiandraikitra ilay orinasa avy any Chine sy ny eto Madagasikara. Tsy vao izao ny orinasa Yuan’s no nanampy ny tanàna Sampananefatra fa efa taona maromaro izay, anisany ny fananganana sekoly FKL tany an-toerana sy ny fanampiana ireo tanora eo amin’ny lafiny fanatanjahantena. Ankoatra izay ny fiaraha-miasan’ny orinasa tamin’ny tantsaha any an-toerana eo amin’ny fampiroboroboana ny famokaram-bary tany Alaotra amin’ny alalan’ny fampiasana ilay masomboly vary safiotra sinoa. Velom-pisaorana ny orinasa ny ben’ny tanàna Ambatomainty ary mbola naniry ny hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa izay efa nisy hatramin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.