Resaka «bois de rose» no nisarihan’ny FAT hifantohan’ny sain’ny Malagasy eran’ny Nosy. Nanaovany fandaharana manokana tao amin’ny haino amanjerim-panjakana mantsy izy io ny alin’ny talata 13 jolay ary natao tsara tatitra an-gazety ny alarobia 14 jolay, fa nahitana “bois de rose” tao amin’ny Tiko Sambaina rehefa natao ny fisavana. Tampoka ary nanaitra ny maro ny vaovao.
Betsaka mantsy no niandry fa havoaka ho fanta-bahoaka amin’izay angamba ny tompon’ireo «bois de rose» 300 taonina tafaporitsaka ary tratra tany Kaomôro tamin’ny volana jona ireny. Tsy izay anefa no nitranga fa ny Tiko sy ny mpanorina azy no nihazakazahana. Ho an’ny mahalala moa dia tsy rototra firy, nihomehy indray aza no nataony raha nahita ilay vaovao. “Bois de rose” koa izao no malaza sy ambentin-teny tato ho ato ka dia roritina mafy. Nisy tokoa ny fisavana tanàna nataona andian’olona tao amin’ny orinasa tao Sambaina, izay tao no nitsirian’izany orinasa Tiko izany voalohany. Efa teny amin’ny TVM (izay afaka nahita izany), sy teny ambony gazety omaly vao samy gaga ny rehetra fa nisy io fisavana trano io. Hazo 320 isa, mifangaro ao ny voamboatra sy ny tsy mbola voakarakara, miampy sary vongana milanja 200kg (izay fanomezana azon’ny filoha Marc Ravalomanana avy amin’ny Amperora japoney) ary varavarana milanja 50kg vita amin’ny “bois de rose” no voalaza fa hita tamin’io talata io ary efa giazana eny amin’ny R3A Betongolo eny, fa lasa toerana fametrahana entana giazana indray moa izany izao ao. Rehefa notomorina ny raharaha dia nataon’ny mpisava samirery tao tsy natrehin’ny tompon-trano na koa ny solontenany ny fisavana tanàna. Tsy vitan’izany fa nisy ny rindrina nogoahina, sy nopotehina, nefa tsy nahazoana alalana tamin’ny Fitsarana ny fanaovana izany ary koa tsy nisy fanoherana nataon’izay olona tratran’ny mpisava tao an-toerana tamin’ny fotoana hanatanterahany fisavana. Vaky trano tsotra izao no nitranga. Nitohy omaly moa ny fisavana ireo toerana niaraka tamin’ny Polisin’ny DST (Direction de sécurité du territoire) sy ny BC vaovao, (izay mpiasan’ny Tiko ihany no mpanome vaovao araka ny filazan’izy ireo satria, hono, tsy nandray karama amam-bolana).
Fisavana natao teo ambany fanaraha-mason’ny teo amin’ny fiadidiana ny FAT. Araka ny vaovao azon’izy ireo dia misy “bois de rose” nasitrika any anaty dobo ary koa nalevina ao ambany tany ka notsindriana kamio. Nanafatra olona avy amin’ny “pompier” mihitsy ny mpasava mba hisitrika tao anat’ireo dobo miisa dimy tao an-toerana nisava, ary nisy lavaka telo nasaina nohadiana hatrany amin’ny telo metatra avy, nizahana izany hazo sarobidy nafenina izany, fa tsy nahitana na inona na inona. Ny voamarika tetsy ankilan’izay dia tsy misy datin’andro ilay taratasy fanomezan-dalana nahafahana nisava ny tanàna, na dia efa omaly tolakandro, izany hoe ny ampitson’ny nanombohana ny fisavana. Efa notakian’ny mpisolovavan’ny orinasa Tiko, aza izany vao nasehon’ireo mpamita iraka. Ny fanamarihana tamin’ity raharaha ity koa, dia tsy nisy nahalala na mba nampandrenesina ity fisavana tao amin’ny Tiko Sambaina ity, na ny fokontany, na ny kaominina, na ny borigadin’ny zandary ao Manjakandriana, indrindra moa fa ny avy amin’ny tontolo iainana sy ny ala, izay voakasika voalohany amin’ny raharaha toy itony, raha tsy omaly. Ny tompontrano na ny solontenany rahateo tsy teo an-toerana sady tsy nampandrenesina fa dia nionona tamin’ny fisian’ny mpiambina, izay hita fa nivarahontsana avy hatrany vao mahita mpitandro ny filaminana ombam-basy, dia ireto mpisava izany. Mety ho izay no nahatonga ny resaka nandeha fa vaky trano tsotra ity nitranga tao Sambaina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.