Actualités

Orinasa TIKO Efa vonona hiasa …


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Efa vonona hiasa ny Orinasa Tiko raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana tany Antsirabe omaly. Nambarany fa hatramin’izao dia tsy mbola nomena alalana hatrany izy ireo kanefa efa vonona.

Isaky ny mihaona amin’ny mpanao gazety dia miverina foana io fanontaniana io n’aiza n’aiza, kanefa mbola any amin-dry zalahy ny lakile, hoy izy nihomehy.

 Aloa ny hetra rehetra

Amin’izao dia mahagaga fa ny taninay sasany eny Ankorondrano dia tadiavin’ny sasany atao lavanty, hoy izy. Mampiteny zavatra mihoatra amin’ilay tsy tian-dry zalahy nefa ny ataon’ny sasany manodidina ny filoham-pirenena izany ka sahiko lazaina eto, hoy ny filoha Ravalomanana. Aza adinoina fa nisy ny fifanarahana tamin’ireny tany ireny teo amin’ny antenimieran’ny varotra ka ahoana no hanaovana izany antso tolo-barotra izany ? Nambaran’Atoa Ravalomanana fa nanontany ny filohan’ny antenimieran’ny varotra ny tenany ka voalaza fa : “raha mahazo antso amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny tenany dia omeny eo no ho eo ny tany, fa tsy misy ny olana ». Raha nanontany ny filoha Hery indray izy, araka ny filazany dia nanambara ity farany fa tsy manana tetikasa eo Ankorondrano ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana, midika izany fa misy tsy mazava ao. Nanamafy i Marc  Ravalomanana fa tsy olana aminy ny fampihodinana ny Tiko rehetra rehefa omena alalana izy na dia hisamborany vola aza izany satria mbola mahatoky azy tanteraka ny mpamatsy vola, ary efa izy amin’izao fotoana no mpitantana ny Tiko ka hainy io. Mikasika ny hetra izay lazain’ny fanjakana dia nambarany fa avoahy ny kaontiny fa aloany izany na ohatrinona na ohatrinona satria efa tafiditra ao anatin’ny “Fond de solidarité” ao amin’ny banky iraisam-pirenena izany.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT