Actualités

Orinasa Tiko AAA Hosamborina ny mpitantana ?


  • Zoma 26 Janoary 2018

Inona loatra no tian’ny fanjakana HVM hahatongavana amin’ny fanakatonana ny orinasa AAA amin’izao fotoana izao ? Ezahina hafangaro amin’i Marc Ravalomanana amin’ny resaka politika kanefa orinasa mamelona olona mivantana an’arivony io ary misy asa tsy mivantana an’aliny. Ny vahoaka ihany koa tia sy misitraka ny vokatra Malagasy.

Ny higafy sy hamotika an’i Marc Ravalomanana no tanjona, ka any amin’ny zavatra tsy tokony hokitihina no hanaovana antsojay. Tsotra ny nambaran’ny tale jeneralin’ny AAA Lanto Rabenatoandro, fa feno ny fepetra amin’ny fampanarahan-dalàna ny orinasa, fa ny fanjakana no tsy te hahalala. Tsy ekeko ary tsy eken’ny orinasa, hoy izy ny fanakatonana. Maro rahateo ny orinasa tsy manara-dalàna, ary na fanadihadiana savaranonando aza tsy ananany kanefa dia mihodina sy mamokatra. Tsy te hahalala an’izany ny fanjakana, fa tanjona ny tsy hisian’ny vokatra eny an-tsena satria misy tandindon’i Marc Ravalomanana hatrany. Miha lalina ny raharaha satria tsy manaiky lembenana eo anatrehan’ny antsojay ataon’ny mpitondra ny mpitantana ny AAA. Mivoaka ny feo amin’izao fa hosamborina ny mpitantana ity orinasa ity. Ny hamotika an’i Marc Ravalomanana no tanjona, ary raha ny sitrapon’ny mpitondra, dia samborina sy gadraina avy hatrany. Sarotra anefa ny hanao izany, ary efa mandavaka ny lavaka hilevenany ny mpitondra raha miana-kendry eo. Ireo mpitantana ny AAA no tadiavina hosantarina hatao sorona miaraka amin’ny vahoaka mivelona amin’ity orinasa ity, ary mety ho tratran’izany ihany koa ireo manodidina an’i Marc Ravalomanana hafa atsy ho atsy. Potehina miaraka amin’ny orinasa ny mpiasa manodidina ny 900 manodina ny AAA. Saziana sy somparana ny tantsaha mpamokatra ronono an’arivony. Ronono 8000 litatra isan’andro farafahakeliny no jifain’ny AAA amin’ny tantsaha any Antsirabe sy ny manodidina, izany hoe raha kajiana amin’ny 1000Ar isaky ny litatra, dia 8 tapitrisa ariary isan’andro eo ny fampiasam-bolan’ny orinasa amin’ny resaka fanjifana ronono amin’ny tantsaha fotsiny. Ny tantsaha sy ny mpanjifa ny vokatry ny AAA ve no atao sorona noho ny lonilony ara-politika amin’i Marc Ravalomanana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT