Ankoatra ny fivarotana tany amin'ny vidiny mirary sy azo aloa tsikelikely dia manolotra tolotra vaovao ho an'ny mpanjifany indray ny orinasa tany gasy. Fanamaivanana ny fikarakarana ny taratasin'ny tany no hataon'izy ireo amin'izany izay hiantsoany ny mpanjifany rehetra.
Raha tsiahivina dia ny 27 septambra taona 2014 no nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny tolotra tany nomen'ny Tany Gasy. Tany Ambatolampikely PK 21 any amin'ny lalam-pirenena faharoa no nisantarany izany ka hatreto dia efa mahatrata 1 282 ireo olona nahazo tombontsoa tamin'izany ary 1 350 lot amin'ny 200 m2 ny tany efa lafo. Lehibe dia lehibe tokoa io velaran-tany efa lafo io raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitry ny Tany Gasy, antony nampihemotra ny fizarana ny tany izay efa nampimenomenona ireo mpanjifa sasany. Tsy maintsy nampitomboina mantsy ny isan'ny teknisianina manao ny asa, hoy hatrany izy ireo ka nitaky fandaminana vaovao izao. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavana azo hatrany dia efa mandeha ny fizarana ny tany amin'izao. Niainga tany amin'ny parcelle 0 izany ary efa tonga any amin'ny parcelle laharana fahatelo. Hitohy any Anjeva ny fizarana afaka folo andro raha any Antsirabe kosa amin'ny herinandro ambony ary afaka 15 andro any Toamasina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.