Actualités

Orinasa SUCOMA Niesona ireo nanantena ny hisokafany indray


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Mijanona ho resaka sy fampanantenana poak’aty hatreto ny tenin’ny governemanta, tamin’ny alalan’ny minisitry ny indostria Rafidimanana

 

Narson, amin’ny hamerenana amin’ny laoniny faran’izay haingana ny fihodinan’ny indostria mpamokatra siramamy SUCOMA ao Analaiva, Morondava. Izao indray dia diso fanantenana ny vahoakan’i Morondava, mba niandry resaka na dia indraim-bava fotsiny ihany aza, mikasika ny hanokafana indray io orinasa io nandritra ny foara ara-toekarena andiany voalohany RENALA natao tao Morondava ny 19,20 ary 21 novambra 2015 teo.

Jerem-potsiny

Orinasa tantanan’ny Sinoa ny SUCOMA. Nikatona tamin’ny desambra 2014 izy io, taorian’ny grevy lavareny nataon’ny mpiasa nitaky ny hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo, grevy izay niafara tamin’ny rotaka nahafatesana ain’olona dimy sy nahamaizan’ny ampahany maro tamin’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovan’ny orinasa. Narahina fandrobana ny tahirin-tsiramamy tao koa aza izany. Naneho ny mbola fahavononany hamerina hanodina ny orinasa ny Sinoa, mody nandefandefa iraka tany Morondava ny Fanjakana, fa dia ny teo ihany no teo. Misy fiantraikany ara-toekarena amin’iny faritra Menabe iny anefa ny fikatonan’ity orinasa ity. Ankoatra ny tsy an’asa an’arivony miaraka amin’ny mpamboly fary, dia saika niankina tamin’ny fitaovan’ny Sucoma ihany koa ny fikojana ny lakandranon’i Dabara, indrindra amin’ny fanalana fasika. Manginy fotsiny ny fatiantoky ny Fanjakana amin’ny hetra sy haba tokony hiditra. Jerem-potsiny avokoa anefa izany ankehitriny.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT