Nanapa-kevitra ny orinasa Star 60 taona aty aorian’ny niforonany fa hiserasera bebe kokoa sy hampiseho ny mangarahara amin’ny zavatra rehetra ataony.
Tsy marina velively ny filazana fa ny fanjakana Frantsay no mamatsy vola ny Star, hoy Atoa Emmanuel de Tailly filoha tale jeneraly lefitry ny orinasa Star raha nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny hotel Ibis Ankorondrano izy omaly niaraka tamin’ireo mpitantana eo anivon’ity orinasa ity. Nambarany fa tompon’ny 34%-n’ny petra-bola ao amin’ity orinasa ity ny fanjakana malagasy. Miezaka hatrany ny hamoaka vokatra tsara sy matihanina izahay, hoy ny fanazavana ary ny fividianana vokatra ny avy amin’ny Star dia efa fandraisan’anjara sahady amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria laharana faharoa amin’ny fampidiran-ketra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny Star, manome 100 miliara ariary isan-taona. Eo amin’ny laharana voalohany kosa ny Imperial Tobacco (sigara) mampiditra 300 miliara Ar isam-bolana. Tsy hisy mihitsy aloha ny fampiakarana ny vidin’ny entana vokarinay, hoy Atoa Emmanuel de Tailly satria hita fa sahirana ny Malagasy. Nambarany fa tena ambany raha oharina amin’ny firenena afrikanina sy ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe indianina ny fanjifan’ny malagasy labiera. Labiera 5 litatra isan’olona isan-taona no sotroin’ny Malagasy raha toa ka tafiakatra 11 litatra izany any Afrika ary 13 litatra any amin’ny nosy Maorisy.
Fifaninanana madio
Tsy vahaolana hampandroso ny toekaren’i Madagasikara ny fampiakarana ny tahan’ny hetra, hoy hatrany izy fa ny fanohanana ny mpandraharaha sy ny fikarohana hevitra hampitomboana ny entana lafo no tsara kokoa. Momba ny fisokafan’ny orinasa Tiko indray dia nilaza ny ho tsy manana olana ny amin’izany ny Star, saingy aoka kosa tsy hisy ny fanaovana zanak’ikalahafa, hoy izy ireo fa rehefa samy orinasa dia mitovy. Tena ilaina ny fisian’ny fifaninanana madio, hoy i Emmanuel de Tailly. Farany, nomarihany fa misy akony ratsy amin’ny famokarana sy mampitombo ny masonkarena ny delestazy ka tokony hovahana ny olan’ny Jirama, tahaka izany koa ny resaka lalana satria tena potika ny ankamaroan’ny lalana eto Madagasikara amin’izao fotoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.