Handray mpiasa manodidina ny 300 isa ny orinasa Star ho fampiroboroboana hatrany ny orinasa sady hanampiana ireo tanora malagasy avara-pianarana ihany koa.
Amin’ny alalan’ilay salon goavana izay karakarain’izy ireo etsy amin’ny tranoben’ny varotra Antaninarenina no hisivanany ireo antontan-taratasy voarainy amin’izany, hetsika hatao ny zoma sy ny sabotsy ho avy izao. Mahatratra hatrany amin’ny 4.000 isa any ho any ireo tanora andrasana amin’izany izay tsy voatery ho efa niasa raha araka ny fanazavan-dRamonjavelo Valérie, tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa star fa rehefa vonona, mahafehy tsara ny fahaiza-miaina, nanana traikefa kely tamin’ny asa sosialy ihany koa dia azo raisina. Ezahina omena tombony ny rehetra, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity na izany aza satria dia hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Agence universitaire de la francophonie izay hanampy ireo tanora ho avy eny an-toerana amin’ny fandrafetana “Curriculum vitae” sy “lettre de motivation”. Marihina fa hisy sahady ny fifantenana ireo antontan-taratasy voaray mandritra ireo roa andro ireo ka antsoina avy hatrany any amin’ny foiben’ny Star izay voaray izay eny fa na dia amin’ny sehatry ny fianarana asa aza. Tsiavihina fa mahatratra 50 miliara ar isan-taona ny vola lanin’ity orinasa ity amin’ny fanatsarana sy fividianana ireo fitaovana hampiasainy raha miisa 17 kosa ireo masoivohony manerana ny Nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.