Actualités

Orinasa Star Afa-po tamin’ny asa sosialy niantsorohany


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Nandray anjara hatrany tamin’ny fanohanana ireo zaza sahirana teto amintsika ny orinasa Star hatramin’izay. Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ireo zaza sahirana sahanina fikambanana maro mpiara-miasa aminy izy

Anisan’ireny ireo ankizy beazin’ny fikambanana FAMI sy ireo tezaina ao amin’ny Akany Avoko. 110 paka tamin’ny ranom-boankazo Judor no natolotr’ity orinasa ity ho azy ireo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra. Nahazo toraka izany koa ireo ankizy mpianatry ny EPP Ambinanikely ao Faradofay. Fahombiazana tanteraka ny taona 2014 ho an’ity orinasa ity. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana izay niarahan’ny orinasa tamin’ny fikambanana ShareMada  tamin’ny alalan’ny fizarana “Kits scolaire” nandritra ny fisokafan’ny taom-pianarana farany teo. Anisan’ny nahazo tombony tamin’izany ireo ankizy ao amin’ny fokontany Ankadivato sy Mandialaza Ambatomitsangana. Ankoatra ireo dia nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny SOS Villages d’Enfants Madagascar ihany koa izy ireo. Anisan’ireny ny fandraisany anjara tamin’ilay hazakazaka dia an-tongotra nandraisan’ny rehetra anjara ka nanolorany eau vive miisa 700 tavoahangy. Narahin’ny fanolorany ranom-boankazo hafa izany nandritra ny fitadiavam-bola nokarakarain’ity fikambanana ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT