Mahatratra 100 miliara Ar isan-taona ny hetra aloan’ny orinasa Star amin’ny fanjakana amin’izao.
Hetra izay heverin’izy ireo fa fandraisan’anjara amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny firenena toy ny fananganana sekoly, ny fanamboaran-dalana…Ankoatra izay dia vita eto Madagasikara avokoa ny 40 %-n’ireo karazana akora anaty tavoahangy ampiasain’izy ireo, araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra tamin’ny mpanao gazety omaly. Manampy ireo tantsaha mpamokatra mihoatra ny 10.000 amin’ny alalan’ny fanomezana masomboly ireto farany…Mahatratra 1 900 ireo mpiasan’ny orinasa Star ankehitriny tao anatin’izay 62 taona niorenany izay. Mamokatra zava-pisotro 1 tapitrisa isan’andro izy ireo, miparitaka amina ivontoerana miisa 17. Namoaka horonan-tsary fohy vaovao mahatratra 1 minitra sy 24 segondra ity orinasa iray ity. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly izany izay maneho tanteraka ny maha Malagasy ity orinasa iray ity. Mikasika ireo tavoahangy plastika izay vokariny dia nanambara izy ireo fa efa misy ny orinasa eto Antananarivo sy any amin’ny faritra mandray izany ary manondrana azy ireny any ivelany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.