Actualités

Orinasa Somacou Ilafy Nampiaka-peo noho ny antsojay misy ny solontenan’ny mpiasa


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Tsy naharitra intsony fa nampiaka-peo ireo solontenan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Somacou mpanamboatra bodofotsy eny Ilafy ka nitatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Sekrima tety Behoririka tamin’ny herinandro lasa teo, fa hoe misy ny antsojay sy ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpiasa ary fanenjehana ara-tsendikaly atao amin’ny filohan’ny sendikan’ny mpiasa eny an-toerana.

 

 Tsy vitan’izany, hoy ny tatitra nataon’ireto solontenan’ny mpiasan’ny Somacou ireto fa mbola misy koa ny ramatahora sy ny herisetra na ara-batana na ara-tsaina mihatra ao amin’ity orinasa ity ankehitriny. Tena misy fanavakavahana mpiasa an-kitsirano izao mihitsy ao amin’ity orinasa hiasanay ity, hoy ny feo heno tetsy Behoririka, ka ireo solontenan’ny mpiasa sy ny mpitarika sendikaly. Ary ireo mpiasa tranainy koa dia tena iharan’ny fanilikilihana tsotra izao ka zary atao mitsimpona fako na vokatra tsy ilaina intsony eny an-tokotany sisa fa ireo mpiasa vaovao manao an-tselika no omena vahana ao anaty orinasa mba hanafoanana tsikelikely iretsy voalohany nefa na ireo aza efa nisy niasa an-taonany maro kanefa dia tsy mbola noraisina ho mpiasa raikitra akory. Efa lasa alavitra moa ity raharaha ity, hoy ireto solontenan’ny mpiasa ireto, ka misy ankehitriny fampiatoana tsy hiasa ny solontenan’ny mpiasa toa an-dRakotonandrasana Maurice hatramin’ny 22 febroary teo ary ny nahazoany taratasy fampiantsoana hoe eny amin’ny “Inspection de travail” ny 19 martsa ho avy izao mba handray ny taratasy fandroahana azy. Nambara moa fa mandalo olana ara-toekarena ny orinasa no anton’izany nefa fialana bala izany fa vao tsy ela akory izay no nanao fampiasam-bola be amina miliara ity Somacou ity. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa izahay, hoy ireto solontenan’ny mpiasa ireto notarihan’ny delege Atoa Noa Marolahy, mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity  ary handray an-tanana ny ho avin’ny mpiasa malagasy fa tsy hanome vahana ny vahiny mpampiasa vola lava izao.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT