Manerana ny tanàna ankehitriny ny toeram-pivarotana « décodeur » ny orinasa sinoa Startimes.
Tsy dia nampoizina intsony ny fiverenan’ity orinasa ity eto Madagasikara, hoy ireo mpanara-baovao taorian’ny nanatsoahan’ny « Office Malgache d’Etudes et de Régulation des Télécommunications » na (Omert) ny alalana fahazoan’ity orinasa ity miasa eto Madagasikara. Io fanapahan-kevitra io izay tsiahivina fa nahazo ny fankatoavan’ny fanjakana malagasy ankehitriny araka ny fanadihadiana iray ao amin’ny tranonkalan’ny Sobika izay namotsipotsitra ny fifanarahana izay mety nataon’ny governemanta teo aloha izay voalaza fa nandraviravy vola mitentina 150 tapitrisa dolara amerikanina tamin’ny alalan’ny Exim bank mba ho famatsiana ny fametrahana ny TNT teto Madagasikara. Raha araka ny fanambaran’ny manampahaizana momba ity teknolojia TNT ity anefa dia 30 tapitrisa dolara amerikanina dia efa ampy nikarakarana ny fametrahana ny TNT eto Madagasikara. Saika natao inona izany ny vola ambiny ? Araka ny fanadihadiana tao amin’ny tranonkalan’ny Sobika ihany dia mipetraka ny fanontaniana hoe noraiketina indray ve izany ny fifanarahana tamin’ny orinasa Startimes izay mety hitantana sy hifehy ny fampiasana ny TNT eto Madagasikara matoa izy miverina izao ? Raha ny orinasa Startimes tokoa ary no hitantana ny fampiasana ny TNT eto Madagasikara ka izy no hametra ny karazana fandaharana handeha eto Madagasikara sy hampiasa maimaim-poana ny TVM sy ny DIT, inona no hiova sy hitranga ? Fanontanina mila valiny avokoa ireo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.