Actualités

Orinasa Scoop digital Hanamarika ny faha-10 taonany


  • Zoma 30 Oktobra 2015

Feno 10 taona ka hanolotra amboaran-kanto ho an'ny mpankafy azy ny orinasa mpikirakira sarimihetsika malagasy ny Scoop digital tarihan-dRazafimandimby Mamitiana


. Fantatra omaly tamin’ny fiarahana nitafatafa taminy tetsy Andohan’Analakely fa hatomboka amin’ny fanolorana seho miavaka antsoina hoe : “Comédie musicale” ho an’ny rehetra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ny 13 desambra izao ry zareo. Hizara telo ny hetsika dia ny fanolorana tsiahin'ireo horonantsary rehetra navoakan'ny SCOOP digital nandritra izay 10 taona izay, nanomboka tamin'ny Andrebabe sy ny ny “Ciné-film” iarahana amin'ireo "Team SAFELIKA" horavahan'ny hiran'i Njakatiana ary ny fahatelo farany dia ny “Comédie musicale” natokana ho an’ny ankizy. Natokana ho an’ny rehetra ny hetsika ary tafiditra hatrany amin’ny tarigetran’ny Scoop digital dia ny hanome fialamboly ho an’ny rehetra. Nomarihan’i Mamitiana manokana fa orinasa nahita fahombiazana hatrany teo amin'izay nataony nandritra izay  folo taona izay ny Scoop digital satria niezaka hatrany hanao zavatra tsara sy miavaka amin'ny rehetra. 10 taona nananany vahoaka maro be mpankafy sy mpanohana hatrany. Nampiavaka ny Scoop digital ihany koa ny fikarakarana hetsika goavana toy ny lalao baolina kitra 104 SLIGY tetsy Mahamasina ary ny farany teo ny JMJ Mada 8 tany Fianarantsoa. Somary misedra olana toy ny rehetra noho ny krizy ihany koa anefa ny Scoop digital ka nisafidy ny namokatra tantara mitohy aloha fa nampiato kely ny “long métrage”. Mahatoky izahay fa mbola hitady ny mpanao sarimihetsika hanampy azy amin’ny fanehoan-kevitra ny mpitondra fanjakana , hoy ny talen’ny Scoop digital.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT