Atsangana ao Belambo Toamasina ny orinasa NATEMA izay hamokatra menaka manitra sy ranomanitra miainga avy amin’ny akora fototra misy eto Madagasikara ;
Ny orinasa kalaza amin’io sehatra io, GIVAUDAN no mifarimbona amin’ny orinasa Henri Fraise amin’izany ary voalaza fa efa misy ny lalam-barotra iraisam-pirenena ho an’ny vokatra ka hiteraka laza tsara ho an’ny faritra ny sy firenena iray manontolo maneran-tany izany. Mana-jara ny kaominina ambanivohitr’i Belambo, Toamasina, faritra Atsinanana, hoy ny Filoha Rajaonarimampianina omaly raha nametraka ny vato fehizoron’ity orinasa mpamokatra ranomanitra ity izy . Fanomezana lanja ny Indostria malagasy, sady manome asa ny mponina no manatsara ny vidin’entana ahondrana any ivelany ary tafiditra indrindra ao anatin’ny paika ho fanatanterahana ny fanapariahan-pahefana sy fampandrosoana isam-paritra izao, hoy ihany nyteniny
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.