Actualités

Orinasa madinika Nikatona ny 70%-n’ireo mpanao lalana sy taotrano


  • Zoma 28 Desambra 2012

Tsy misy tsy mikaikaika noho ny krizy lavareny nanomboka tamin’ny taona 2009 ny rehetra.

 Tena mizaka ny tsy eran’ny aina tao anatin’izay efa-taona izay, raha eo amin’ny sehatra ara-toekarena, ireo orinasa madinika mpanao taozava-baventy sy taotrano fantatra amin’ny hoe PME –BTP. Iaraha-mahalala fa tsy misy intsony ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa lehibe afa-tsy vitsy dia vitsy sisa ary raha misy aza dia azon’ny orinasa goavana avy hatrany izy ireny.

Raha efa tsy nisy afa tsy ny 10%-n’ny tsenam-baro-panjakana no mba notsinjarain’ireo orinasa madinika sy salantsalany maherin’ny 3000 talohan’ny taona 2009 dia manakaiky ny 0% izany ankehitriny, hoy Rasoloarisoa Henri Victor, filohan’ny kaonfederasion’ny PME –BTP. “Mitanin’andro sy orana sisa ireo fitaovana rehefa tsy miasa. Nanampy koa ny Sekretera jeneralin’ity kaonfederasiona ity fa nandroaka ny mpiasany ny ankamaroan’ireo orinasa izay nikatona koa ny 70% araka ny tatitra voaray avy any amin’ny faritra. Tsy mbola nisy mihitsy anefa fepetra manokana noraisin’ny fanjakana hanomezana tosika azy ireo tato anatin’izao tetezamita.

Manararaotra ny fisian’ny tolotanana ataon’ny FAT amin’ireo mpitatitra ry zareo ka miantso mba hijerena ny momba azy koa. Efa manana sosokevitra momba izay filany rahateo ireto farany. Voalohany dia ny fitsinjarana miaraka amin’ny fanjakana ny TVA alaina amin’ny akora toy ny vatokely, fasika ary biriky. “Tsy afaka hampandoa TVA amin’ny mpanjifa an’ireo akora ireo izahay nefa akan’ny fanjakana TVA ka tokony ho any amin’ny mpamatsy ny entana mihitsy dia efa alaina ilay izy ary jerena izay anjara tokony haloan’ny fanjakana amin’izany fa tsy zakanay samirery”, hoy hoy Rasoloarisoa Henri Victor nanazava. Angatahan’ireto mpandraharaha madinika amin’ny sehatry ny taozava-baventy sy taotrano ireto koa ny fanalefahana ny fepetra takian’ny fanjakana sy ny mpamatsy vola amin’ny fanomezana tsena. “Tsy voatery homena orinasa goavana foana ny asa fa mba tsinjaraina amin’ny orinasa madinika 4 na 5 raha toa ka asa maivamaivana ilay izy”, raha nanome ohatra momba io Rasoloarisoa Henri Victor.

 
Yves
 
 
Hanatanteraka fivoriambe ara-potoana ny kaonfederasion’ny PME –BTP amin’ny taona 2013 iny. Miantso ireo filohan’ny federasiona iraisam-paritra sy filoham-pikambanana ny birao, handefa ny anaran’ny filoha na solontenan’ny federasiona mialoha ny 15 janoary 2013 hahafahana mandefa ny fiantsoana ho amin’izany.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT