Nitokona tsy nety niasa ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba “Kindming Appareil” mpanamboatra t-shirt eny Volotara Andoharanofotsy omaly.
Tsy nisy nandray asa izy 150 mianadahy ao an-toerana rehefa noteren’ilay Sinoa mpampiasa hanao sonia taratasy mandefa azy ireo amin’ny “chômage technique”. Amin’ny 5 mey izao no fe-potoana omen’ny orinasa handoavana ny karaman’ny mpiasa volana aprily raha ny 18 mey kosa ireo tombontsoa hafa. Mitsipaka izany anefa ny mpiasa satria mandeha ny resaka eo anivon’ny orinasa fa handao an’i Madagasikara ny 10 mey izao io teratany sinoa io ka tsy azo antoka intsony ny hahazoana ireo tombontsoa rehefa lasa izy. “Ataony antoka, hono, ny pasipaoro saingy tsy manaiky izany izahay satria vola efatra alina ariary dia efa ampy hanamboarana pasipaoro” araka fanazavan’i Nirina, anisan’ireo mpiasa ao amin’ny Kindming. Vao mainka moa niteraka ahiahy teo amin’ny mpiasa koa ny fandefasana “chômage technique” an-tery ny namany 11 mianadahy izay miasa eo amin’ny “secteur coupe” ny alarobia lasa teo. “Mitady hamitaka anay mihitsy ry zareo satria raha ny nolazainy taminay izay mbola tafajanona ato dia hoe naka ‘congé’ ireo namanay ireo izay tsy marina velively”, hoy kosa i Hanta. Raha ny fanazavan’ny mpiasa ihany dia asa vitaina ao anatin’ny tapakandro sisa no tavela izay midika fa hikatona tanteraka ity orinasa ity.
Eo anatrehan’izany anefa dia nanome toky hikaroka izay fomba hampihodinana ny orinasa hatramin’ny 18 mey izao ilay Sinoa. Hialana amin’ny fihainoana feon-dakolosy tokana dia niezaka nanatona ilay Sinoa ny Tia Tanindrazana saingy narirarira hatrany. Nolazain’ny mpiambina fa mivory io vahiny io kanefa hita mangarangarana amin’ny varavarana ary nisy fotoana efa saika nivoaka ny orinasa no niverina indray raha nahatazana ny mpanao gazety. Raha ny fizotry ny raharaha omaly indray dia nampiantso ny zandary ao Andoharanofotsy ny orinasa raha nanahy izay mety ho fihetsiky ny mpiasa saingy nilamina tanteraka ny tety an-toerana. Nandao ny orinasa araka izany ireo mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.