Actualités

Orinasa Jirama Mila 51,8 miliara Ar vao mety hiarina


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Misy ny mpamatsy vola no kivy tanteraka raha vao iresahana Jirama, misy kosa ireo izay milaza fa te hanampy saingy mbola mijanona ho fampanantenana ihany

 

 

 

Tafiditra amin’ny kihon-dalana tery ny  orinasa Jirama. Ny sabotsy lasa teo dia  nibaboka  Atoa Horace Gatien minisitry ny Angovo  fa mila 18 tapitrisa dolara amerikanina na 51 480 000 000 ariary ny Jirama  hanarenana tobim-pamatsiana herinaratra miisa roa. Mari-bola tsy  voafaritra mazava ny hahitana azy na dia nampanantena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo aza ny solontenan’ny banky  eoropeanina ho an’ny  petra-bola sy ny solontenan’ny  vondrona eoropeanina eto Madagasikara tamin’ny nandalovan’izy ireo teny Mahazoarivo tamin’iny volana martsa iny fa hijery ny fomba hanatsarana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Resy lahatra ny mpamatsy vola fa latsaka ao anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fantiantoka  “Gouffre financière “ny Jirama  noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly samihafa.  Hany herin’ny fanjakana dia ny mitady vahaolana amin’ny mety hamarotana ny orinasam-panjakana Jirama amin’ny tsy miankina. Mahakasika ny ady  amin’ny  kolikoly eo amin’ny fitantanana ny Jirama dia nanapa-kevitra ny mpitondra fa hanara-maso ny fomba fitsinjarana ny herinaratra  hatrany amin’ny mpanjifa. Tamin’ny 24 martsa  dia efa nisy ny fivorian’ny minisitera voakasik’ity resaka herinaratra ity teny Mahazoarivo notarihin’ny talen’ny kabinetran’ny Primatiora. Tamin’izay no nahalalana fa efa hatramin’ny 2009 ny orinasa Jirama no nivarotra fatiantoka  ny vokatra vokariny. Raha 664 ariary no masonkarenan’ny herinaratra 1kwh  dia tsy  amidy afa tsy 372 ariary izany.  Ny fomba hanehoana amin’ny vahoaka ny tena tokony ho saran’ny herinaratra izay tsy maintsy ho lafo no lasa nofy ratsy hatramin’izao. Etsy an-daniny, ny fahasorenan’ny olona ateraky ny fahatapahan-jiro lava izao. Ny herinandro lasa teo no nandrenesana fa tratran’ny “delestage économique”  na fahatapahan-jiro vokatry ny tsy fisian’ny vola hividianana solika indray ny Jirama any Fianarantsoa.

AndryRatovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT