Actualités

Orinasa Jirama Mihevitra ny hahavelon-tena amin’ny 2020


  • Zoma 12 Janoary 2018

Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety mikasika ny zava-tontosa teo anivon’ny orinasa Jirama tamin’ny taona 2017 iny tetsy amin’ny foibeny etsy Faravohitra omaly ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny orinasa, notarihan’ny filohan’ny filankevi-pitantanany Hyacinthe Todimanana Befeno sy ny tale jeneraly Jaomiary Olivier.

 

Nohazavaina tao anatin’izany ny mikasika ny antony nampakarana 5% ny saran-jiro ho an’ireo orinasa vaventy eto amintsika sy ny fampakaran-jiron’ny isan-tokantrano ihany koa izay raha 5,5% tamin’ny taon-dasa dia lasa 8,5%. Araka ny fanazavana dia ny Jirama izay mpamokatra herinaratra sy mamatsy rano eto Madagasikara no mandany ny 40%-n’ireo vokatra avy amin’ny solika (produit pétrolier) eto amintsika. Niakatra ny vidin’ny solika aty Afrika. Ezaka be no natao matoa orinasa tsy manana afa-tsy milina efa tranainy, 30 taona raha zandriny indrindra ary 70 taona ny sasany no mbola mitohy ary tsy miova ny vokatra omena mandrak’ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavana. Nisy fivoarany ny fitantanana ny Jirama, hoy ny fanazavana ary azo hanaporofoana izany ny nahafahana nanangana toeram-pamokarana herinaratra hatrany amin’ny 165 MW mandeha amin’ny “huile lourde”; teo ihany koa ny fanatsarana ny famokarana rano fisotro madio etsy Mandroseza sy eny Ankadivoribe, ary ny nanitsiana ny fifanarahana amin’ireo mpamatsy solika mba hahazoan’ny Jirama tombony kokoa. Nisy vokany tsara tamin’ny fitantanam-bolan’ny orinasa Jirama izany, na dia tsy mahavelon-tena tsara aza ity orinasa ity.

Mbola matevina ny fatiantoka

Raha 450 miliara  ariary isan-taona no fanampiana omen’ny fanjakana ny orinasa Jirama teo aloha dia lasa 210 miliara izany ankehitriny satria be ny fanamboarana tokony hatao, araka ny vinan’ny filoham-pirenena, hoy kosa ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika voakasik’ity resaka ity. Raha 4000 miliara ariary isan-taona eo no tetibolam-panjakana dia fatiantoky ny Jirama avokoa ny 1000 miliara ariary amin’io, hoy hatrany ny fanazavana. Tanjona ny hahatonga ny Jirama hahavita tena amin’ny taona 2020 raha ny resaka teny Faravohitra omaly, misy ny asa sy ezaka tsy maintsy atao mba hahatongavana amin’izany ka tafiditra ao ohatra ny ady atao amin’ireo mpangalatra herinaratra sy rano, izay tena mahatonga fatiantoka goavana ho an’ny Jirama.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT