Actualités

Orinasa Jirama Banga 40% ny fampidiram-bola


  • Alatsinainy 16 Janoary 2017

Mitotongana tanteraka ny orinasa Jirama amin’izao fotoana izao, hany ka tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fampiodinana ity orinasam-panjakana ity.

Tsy mazava ny fomba fitantanana ary fatiantoka tanteraka no misy na dia efa misy aza ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana. Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny saran’ny herinaratra lany eto amintsika satria ny 60% amin’izany no miditra sy tafaverina amin’ny kitapom-bola ary tsy fantatra intsony hoe mankaiza ny 40%. Voalaza fa ny fanjakana ihany no tena tsy mpandoha saran’ny herinaratra ka mahatonga io fahabangana goavana io, ankoatra ny mety ho tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly na ny fanodikodinam-bola mety hitranga. Mivoaka ihany koa ny vaovao fa tsy mety mamoaka vola ho an’ny orinasa Jirama intsony ny fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola noho io fahabangana io, ka tsy misy vola hividianana solika izay antony mampahery vaika ny delestazy, ka saika isan’andro no hisian’izany ho an’ny faritra Ampasapito, Ankadindramamy, Ambohitraraha,Itaosy… Mitaky ny fangaraharahana eo amin’ny orinasa Jirama ny fanjakana foibe, ka isan’izany ny tokony hahafenoan’ny tamberin’ny lany ho 100% fa tsy 60% ankehitriny. Lany andro mifanilika sy toa manao sarimihetsika ny fanjakana sy ny Jirama kanefa ny rehetra efa tena mikaikaika. Antoky ny fampiodinana ny toekarena ny herinaratra saingy mbola ho ela vao tena hivaha ny olana mifandraika amin’izany eto Madagasikara.

 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT