May omaly folakandro tokony ho tamin’ny 2 ora ny toerana fitobian-kazon’ny orinasa Hazovato etsy amin’ny Forello Tanjombato.
Resaka “court circuit” hatreto aloha fa fantatra hoe niandohan’ny afo ; ireo mpiasa nahita ny fidedadedan’ny afo no niantso vonjy ka nifandrimbona nifanampy ny rehetra tao anatin’ity orinasa iray ity namono ny afo. Manakaiky ny parking hitobian’ny fiaran’ireo mpitsidika ny Salon de l’habitat rahateo ilay toerana nitrangan’ny loza, izany hoe be olona ka vetivety foana dia maty ny afo, tsy tonga akory ireo fiara mpamonjy voina dia efa maty. Tsy nisy ny aina nafoy na ny fiara may saingy nahatratra an-tapitrisany kosa ny fatiantoka. Tsy nisy ihany koa ny naratra. Mbola somary misintaka kely ilay toerana handraisana ny Salon de l’habitat moa ity hain-trano nitranga tao amin’ny orinasa Hazovato omaly ity. Na izany aza, marobe ireo mpandray anjara no nikoropaka sy ireo mpitsidika nanavotra ny ainy. Tsiahivina fa anisan’ny mandray anjara feno amin’ny Salon de l’habitat ny orinasa Hazovato izay tsiahivina fa mikirakira ny hazo sy ny vato hanjary ho karazana fanaka tsara tarehy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.