Saika maniry ny hanohy fianarana any ivelany avokoa ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy eto amintsika. Mba ho fanampiana azy ireo dia misokatra hanampy azy ireo ny orinasa global éducation, izay sady manoro hevitra no manome tolotra miavaka ihany koa. Anisan’izany ny fanolorana vatsim-pianarana maimaimpoana sy manontolo eo amin’ny fianarana sy ny toeram-ponenana any ivelany
. Hiarahan’ny orinasa amin’ny Prenslake Intercontinental University sy ny Westland City University any amin’ireo firenena miisa telo dia Canada sy Eoropa ary Amerika. Ireo izay tsy mahatratra izany kosa dia misy ihany koa ny tolotra faharoa, dia ny fanampiana ireo tanora te hianatra any amin’ireo firenena Amerikanina sy Eoropeanina rehetra, saingy mianto-tena kosa amin’izay fotoana izay. Ny fananana ny mari-pahaizana ny diplaoma Bakalorea moa no fepetra tokana takiana amin’ireo mpianatra tsy hanavahana lalam-piofanana ankoatra ny fianarana ho mpitsabo noho ity farany efa feno tanteraka. Efa misokatra ny fisoratana anarana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.