Actualités

Orinasa fikirakiram-baovao Fehezin’ireo mpanao politika


  • Alarobia 19 Aogositra 2015

Miroborobo be ny asa fanaovan-gazety an-tsoratra, am-bava sy an-tsary Malagasy tao anatin’ny taona vitsivitsy izay

 

, hoy ny filohan’ny «Club des Journalistes Doyens» Taitsy Gilbert. Nampivaona ny andraikitra voalohany sahanin’ny asa fanaovan-gazety amin’ny maha mpampahalala vaovao sy mpanabe azy anefa ity rivo-pivoarana ity. Ny antony dia satria mpanao politika ny ampahany betsaka amin’ireo tompon’orinasa fikirakiram-baovao. Toa lasa fitaovana fampisongadinana sy fiarovana ireo lehibe mpanao politika sady tompon’ny teny farany amin’ireo karazam-baovao halefa amin’ny haino aman-jery na havoaka amin’ny gazety fotsiny sisa ireo mpanao gazety nianatra sy nandalina ny fahaiza-manao eo amin’ny tontolon’ny serasera, araka ny fanamarihan’ity mpitantana voalohany ny CJD ity. Nomarihana omaly 18 aogositra teny Ambatonakanga tamin’ny alalan’ny fampirantiana ireo dingana goavana nolalovan’ny fikambanan’ny zokiolona mpanao gazety moa ny 20 taona nijoroany. Hitohy eny amin’ny «Espace Dera» ny 28 aogositra 2015 ny hetsika fizarana mari-boninahitra ireo mpanao gazety zokiolona miisa 22.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT