Nandeha be ny feo tato ho ato fa lasan’ny Sinoa tanteraka ny orinasa Fanalamanga ao Antsirinala Moramanga. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ny tale jeneraliny Rakotonirina Augustin ka nambarany tamin’izany fa mpiara-miasa amin’ny orinasa tantanany fotsiny ireo Sinoa ireo fa tsy tompon’ny fanalamanga akory.
Misy karazany telo izy ireo hoy hatrany izy ka ilay famokarana kininika haingam-pitombo ( ecaliptus grandisse) azo trandrahana anatin’ny telo na efa-taona no fifaraham-piaraha-miasa natao farany teo, taorian’ny nivoahany namita iraka tany Sina. Efa natomboka ao Amboasary Analabe ny fambolena ity karazana kininina ity hoy hatrany izy amina velaran-tany 10.000 ha. Tanjona hoy izy ny hahafahana manarina ireo velaran-tany 1.500 ka 2.000 ha lalovan’ny afo isan-taona raha ny 300 ka hatramin’ny 500 ha amin’ireo no tena potika tanteraka vokatry ny doro tanety hataon’ny mponina. Na izany aza dia notsindriny fa tsy mitazam-potsiny ny orinasa Fanalamanga satria dia efa miisa 38 ankehitriny ireo mpandoro tanindrazana naiditra am-ponja. Hitondra fiovam-penitra kosa anefa hoy izy ny fisian’ity karazan-kazo vaovao avy any Sina ity satria dia tsy mora handairan’ny afo izy nefa mora maniry. Tanjon’ny tale jeneralin’ny Fanalamanga araka izany ny hanangana laboratoara hahafahana mamokatra ity zana-kazo vaovao ity eto Madagasikara ato anatin’ny roa taona raha toa ka tsy misy ny sampona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.