Actualités

Orinasa Cotona Antsirabe Raikitra ny grevin’ny mpiasa


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Nitokona tsy nety nandray ny asany ireo mpiasan'ny orinasa Cotona misahana ny famokarana lamba tokony hiditra tamin'ny 6 maraina omaly.

 Avy ao amin’ny sampandraharaha TIAF na ny « Teinturerie, Impression Apres Finission” izy ireo ary nampian’ireo vao nirava tamin’ny 6 maraina ihany koa. Efa elaela no nandrenesana fa misedra olana ary mety hiafara amin'ny fampiatoana mpiasa koa ity orinasa ity, saingy izao vao vaky ny resaka. Ho an'ny orinasa dia voalaza fa olana amin'ny fidangan'ny vidin-jiron’ny jirama sy ny hetra no olany nefa re ihany fa efa nomen’ny fanjakana fanalefahana indray izy ireo amin’izao fotoana. Vokany, tombontsoa marobe an'ny mpiasa no nofoanana ka vatan-karama sisa raisina. Ny olana sedrain’ny mpiasa nefa dia ny findramam-bola natao tamin’ny banky satria ny faran’ny volana teo dia nisy mpiasa zara raha nandray vola 60.000 Ar monja, nialan’ny volan’ny banky, ary nisy aza 20.000 ar monja no noraisina. Anisan’ny nahatezitra ny mpiasa ihany koa ny fampihenana ny fanomezana fanome azy ireo isan-taona, amin’ny vanim-potoanan’ny paka toy izao, izay hizarana lamba 6kg hatramin’izay, ka 3kg monja tamin’ity taona ity. Misy ampahany anefa mpiasa ao amin’ny orinasa no tsy novaina ny karamany sy ny fomba fiasa ao anatiny, izay tsy niova araka izany ny vola raisin’izy ireo. Takian'ny mpiasa ny hamerenana ireo tombontsoa ireo sy fanesorana ny vazaha misahana ny mahaolona (DRH) ao an-toerana. Andininy maro moa ny fitakiana natao an-taratasy, nomena ny tale jeneraly ka ho hita eo izay valiny. Nanaitra ireo mpiasa ihany koa ny nahatongavan’ny “inspecteur de travail” tany an-toerana, izay nandresy lahatra ireo mpiasa hiverina amin’ny asany. Asany ve moa izany ? Manomboka miseholany ny olan’ny orinasa sy ny mpandraharaha. Izay tsy akatona an-terisetra toy ny AAA-Tiko, dia toa niharan’ny resaka hetra mihoapampana. Ny orinasa sinoa niantsoroka ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Talatamaty, Ambohidratrimo sy Ivato aza moa dia re siosio fa leo ny fitakiana volabe ekolazy hatrany amin’ny 4 tapitrisa Euros isan-taona, ka naleony nangoron’entana.

Caius R sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT