Miroso amin’ny « chômage technique » ny orinasa Ambatovy, araka ny fanambarana efa navoakan’ny orinasa ho an’ireo mpiasa any Moramanga sy Toamasina noho ny fitotongan’ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ka nahatonga ny fihenana hatrany amin’ny 70%-n’ny vidiny raha mihoatra ny taona nanorenana ny orinasa.
Fampiatoana ara-teknika
Tsy maintsy nandray fepetra amin’ny fampiatoana amin’ny asany ny 25% -n’ny mpiasa ao aminy isaky ny departemanta misy ny orinasa, ity moa ilay antsoina hoe “chômage technique”. Nisy voka-dratsy ho an’ny orinasa ihany koa ny fitokonana nandritra ny 27 andro nataon’ireo mpiasa. “…Tsy maintsy mandray fepetra faran’izay haingana Ambatovy amin’ny fampihenana goavana ny fandaniana mba hahafahany manohy ny asany mifanaraka amin’ny vola am-pelatanany. Ny tsy fandraisana izany fepetra lehibe izany faran’izay haingana indrindra dia mety hitarika fanakatonana tsy ho ela ny toeram-pitrandrahana sy ny ozinina ary ny fahaverezan’ny asa ho an’ny mpiasan’Ambatovy iray manontolo », hoy ny fanambarana.
|
|
Araka ny vaovao marim-pototra nangonina dia anio zoma no hivoaka ny anaran’ireo mpiasa tsy maintsy hiditra amin’ny fiatoana ara-teknika, izay mahatonga ny mpiasa maro mitaintaina noho ny hasarotan’ny fitadiavana asa sy ny hasarotam-piainana amin’ny ankapobeny.
Feno zandary miambina
Mba hialana amin’ny korontana sy mety ho sakoroka hiseho dia efa feno zandary, izay efa manana fifanarahana amin’ny orinasa amin’ny fiarovana azy izay nosoniavin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Paza Didier Gerard mihitsy, ny orinasa ao Tanandava Tsararivotra nanomboka omaly alakamisy. Tsy ireo mpiasa miasa mivantana amin’ny orinasa ihany no ho tratran’ny fampiatoana fa ireo orinasa mpiara-miasa aminy ihany koa. Ankoatra izay, dia fantatra fa tsy ilay fitotongan’ny vidin’ny nikela ihany no olana ankehitriny amin’ny Ambatovy, fa ahitana fahasimbana ihany koa ireo milina roa mpanosika ny ranon-tany avy any Moramanga ho tonga ao amin’ny orinasa Tanandava Tsararivotra, izay mampitarazoka ny asa famokarana ihany koa amin’ny tsy fahatongavan’ilay ranon-tany hisivanana ny nikela sy kobalta.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.