Actualités

ORINASA AMBATOVY Avotra tamin’ny ora farany


  • Zoma 24 Aprily 2015

Efa nanambana ho an’ny mpiasan’Ambatovy Tanandava ny “fiatoana ara-teknika” noho ny fitokonana tao aminy sy noho ny fikasana hitokona ihany koa ho an’ireo mpiasa misahana ny fiarovana ny ozinina.

 

Efa namoaka naoty mifanaraka amin’izany mihitsy Atoa Tim Dobson ny 20 aprily teo, mba tsy hisian’ny loza ho an’ny mpiasa sy ny orinasa ary ny manodidina rehetra. Efa namoaka “Requisition” ho an’ny mpiasa mba hamonjeny ny asa ny tompon’andraikitry ny orinasa, saingy ireo mpiasa misahana ny fiarovana ihany no nanaraka izany.

 

Niditra an-tsehatra ny fanjakana

 

Ho fandaminana ny olana dia niditra an-tsehatra ny minisitry ny indostria Narson Rafidimanana sy ny minisitry ny asa Maharanty Jean de Dieu. Ny alarobia tontolo andro izay naharitra 13 ora ny fifandresen-dahatra teo amin’ny amin’Ambatovy sy ny mpiasa mitokona ary ireo minisitra, fihaonana natao tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana. Nivoaka ihany efa tamin’ny 8 ora alina ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta, ka nanomboka omaly dia niverina nandray ny asany ny mpiasa nitokona ary tsy hanenjika azy ireo tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nataony Ambatovy. “Raha misy ny fifandeferana sy fifampiresahana ary adihevitra lalina dia tsy maintsy hita hatrany ny marimaritra iraisana”, hoy ny minisitra Narson Rafidimanana. “Ny zava-dehibe dia ny fiverenana miasa ho an’ny mpiasa, satria ho simba ny orinasa, ho very vola ny fanjakana ary ho maro ny tsy an’asa”, hoy kosa Atoa Lalaina Andrianarivelo talen’ny serasera ao Ambatovy. Ankoatra izay, raha tsy nisy ity fifanarahana nivoaka ny alarobia alina ity, dia an-jatony indray ny mpiasa nangoron’entana tao Ambatovy ary an’aliny indray no tapaka karama. Efa mitsangana ny komity mpanara-maso ny fifanarahana, ka miankina amin’izy ireo indray izany ny tohin’ny fifampidinihana manaraka, handaminana ireo hevitra mbola misy fifanolanana eo amin’ny roa tonta.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT