Actualités

Orinasa AIRTEL Nanampy ireo traboina nandalovan’ny AVA


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Ireo mponina tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy tamin’ny ankapobeny no tena nitondra faisana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza AVA teto amintsika farany teo.

 Tsy nitazana fotsiny azy ireo ny orinasam-pifandraisana Airtel fa nitondra izay voatsirambin’ny tanany. Ekipa marobe mpiasa eo anivon’ity orinasam-pifandraisana ity avy any Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina ary Antsirabe no tonga nifanome tanana nizara fanampiana. Olona mihoatra ny 600 no nahazo tombontsoa mitsinjara amina tokantrano miisa 150. Fotsimbary, voamaina, kojakoja toy ny koveta, ny labozia, ny siramamy, ny menaka no natolotra azy ireo. Ho an’i Fianarantsoa manokana dia tonga nanolo-tanana amin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa eo anivon’ny kaominina ambonivohitra ny Airtel. Nambaran’ny tale jeneraliny Atoa Maixent Bekangba fa ny hanampy ny mpiara-belona lasibatry ny voina tahaka izao no antom-pisian’izy ireo.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT