Efa ela no nahitana ireo orinasa tsy manaja ny lalàna momba ny asa eto Madagasikara. Misy amin’izy ireo mantsy ny mampiasa olona tsy an-kijanona mihitsy.
Ankoatra ny fiakarana miasa ny alatsinaniny ka hatramin’ny sabotsy, dia mbola terena ihany koa ny mpiasa hiakatra ny alahady. Tsy safidin’ny mpiasa io fiasana alahady io, fa an-tery, ary mety hahavoasazy na hahavery asa mihitsy aza ny tsy fahatongavana. Manginy fotsiny moa ny fiasana adiny 10 na 12 ora isan’andro.
Taorian’ny nandraisan’ny fanjakana fepetra amin’ny tsy tokony hampiasana vehivavy aorian’ny amin’ny 6 ora hariva moa, dia nahita hevitra indray ireo mpampiasa, ka nampiditra indray ny mpiasa amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva na maherin’izany aza.
Nataon’ireo mpampiasa ho fialana tamin’izany fampiasana olona mihoatra ny 8 ora izay fotoam-piasana ara-dalàna moa ny fanenjehana “komandy”. Marina fa nisy ny karama ambony ampanga raisin’ireo mpiasa amin’izany ora fanampiny izany, nefa mifanaraka amin’ny tokony ho izy ve izay vola raisina izay ? Eo indrindra no isian’ny fanambakana sy ny fanararaotana ireo mpiasa.
Amin’izao fotoana izay tsy mampisy loatra ny asa izao sy nikatonan’ireo orinasa maro, dia toa vao mainka mahazo vahana indray ilay fanararaotana. Manginy fotsiny moa ny baranahina misy noho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso atao ny fanjakana, ka dia mahazo aina ireo mpanararaotra.
Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.