Efa fito taona ny nanaovana asa soa teto amintsika ny fikambanana « Orange Solidarité Madagascar » ankehitriny, sampana iray eo anivon’ny orinasam-pifandraisana Orange.
Foto-drafitrasa mihoatra ny 500 no efa natsangany tao anatin’izany manerana ireo faritra 22. Mihoatra ny 10 miliara Ar ny vola efa lany tamin’izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Randriambelona Josia, filohan’ny fikambanana raha mihoatra ny 50.000 ireo ankizy tafiditra an-tsekoly. Tsy hijanona hatreo anefa izany asa sosialy tanterahin’izy ireo izany. Nisy indray mantsy omaly ny Sonia fifanekem-piaraha-miasa notanterahiny niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, tetikasa haharitra 12 volana. Ho an’ny sehatry ny fanabeazana manokana dia sekolim-panjakana miisa valo no hahazo tohana avy amin’izy ireo amin’ny alalan’ireo karazam-pitaovana nomerika toy ny solosaina sy ny tablette manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy io. Anisan’izany ny CEG tsimbazaza, Antanimena, Analamahitsy, Faliarivo Ambodiafontsy Ampitatafika, Ambodifasika Itaosy, Anivorano Diégo II, Nosy be, ary Dzamanjary Nosy Be. Toraka izany ka ny fananganana CSB II iarahana amin’ny ONG vozama amin’ny alalan’ny village Orange, ny fanavaozana sekoly ambaratonga fototra sy fampidirana rano fisotro madio ho an’ny kaominina ambanivohitra Andrainjato Atsinanana, ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.