Actualités

Orange Madagascar Mampiasa olona manana fahasembanana miisa 5


  • Talata 05 Desambra 2017

Nomarihina ny faran’ny herinandro teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana. Olana sedrain’izy ireny amin’ny ankapobeny ny fanilikilihana mihatra aminy eny anivon’ny fiarahamonina toy ny eo anivon’ny orinasa ohatra.

 

 Lasa vesatry ny ankohonany sy ny manodidina ireny  karazan’olona ireny vokatr’izany, antony nanosika ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar handray an-tanana azy ireo. Hatreto dia efa mahatratra dimy ireo olona manana fahasembanana miasa eo anivon’ny Orange Madagascar ka misy ny tapa-tanana… raha araka ny fanazavan-dRaobson Liva, tompon’andraikitra iray eo anivon’ity orinasam-pifandraisana ity nefa dia mahavita ny asany ara-dalàna toy ny olon-drehetra. Nisy moa ny tolotra vaovao navoakan’izy ireo entina hampahafantarana ny fahasembanana tsy hita maso omaly teny amin’ny foiben-toerany eny Ankorondrano. Ellomi no anaran’izy io, entina hanampiana ny olona hahafantatra ny tontolon’ny fahasembanana. Tsiahivina moa fa omaly ihany koa vao nanamarika ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny aretina SIDA ny orinasam-pifandraisana Orange, ka nisy ny fitiliana maimaimpoana ity karazan’aretina iray ity nandritra izany, niampy ny tosidra sy ny aretina diabeta. Ireo mpiasa no tena nahazo tombontsoa tamin’izany izay tsy maintsy manao fitiliana in-droa isan-taona. Nisy ihany koa ny hetsika iadiana amin'ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy, niarahana tamin’ny Ong C for C.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT