Actualités

Ora-mikija teto Antananarivo 7 no maty tao anatin’ny 2 andro


  • Zoma 11 Desambra 2015

Tao anatin’ny roa andro (alarobia sy omaly alakamisy hariva) dia olona fito tsy manan-tsiny no fantatra hatreto fa namoy ny ainy maty an-drano, ka ny nofo mangatsiakan’izy ireo sisa no hitan’ny olona rehefa nitsahatra ny orana. Ny enina tamin’ireo, raha ny vaovao, dia maty vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsak’orana nikija ny harivan’ny alarobia teo.


Namono olona

Olona efatra namoy ny ainy tetsy Mahavoky Besarety. Mpianaka  ny roa tamin’izy ireo, mpianatra ny iray raha vehivavy ny iray izay samy handeha hamonjy fodiana avokoa fa tsy nahita lalana raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Fokontany. Ho an’ity farany manokana dia efa nentin’ny rano avy any  Ampandrana izy io no hitan’ny fokonolona. Nitaingina sarety kosa  ilay tovolahy mpianatra niampita ny arabe saingy nifanena  tamina kamiao iray io sarety io  ka nihohoka antony namoizany ny ainy tsy fidiny. Fa zazavavy kely iray 14 taona natory tao an-trano no namoy ny ainy nianjeran’ny tamboho manana haavo 4 m teny Miandrarivo Ambanidia. Olona iray hafa maty vokatry ny fiakaran’ny rano hatrany tetsy Antanandrano. Olona fahafito namoy ny ainy ny tovovavikely 14 taona maty an-drano niara-nilamano tamin’ny  reniny tamina bodo filomanosana iray tetsy Anosizato, ny alarobia tolakandro teo.

Hitohy ny orana

Lasibatra foana ny faritra iva rehefa betsaka rotsak’orana. Tsy ampy ny lakan-drano hivoahan’ny rano, ary maro amin’ireo tatatra no mbola tsy voadio ka tsy afaka mikoriana tsara ny riaka;mbola mismisy ihany koa ny “dalle” tsy misarona izay tena mamitaka rehefa miakatra ny rano ka mandratra na momono olona mihitsy.Mbola hitohy anefa ny orana  ka mila mailo sy mitandrina araka izany, ireo mponina rehetra mipetraka amin’ny tanàna iva sy ny moron-drano mba hamonjy toerana avo ary tokony handray andraikitra ihany koa ireo rehetra voakasiky ny fanadiovana ny lakandrano.


Eric R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT