Actualités

Ora-mikija tany Alaotra Tapaka ny lalana, vaky ny fefiloha ao Morarano


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Nanimba zavatra maro tany Alaotra indrindra ny teo amin’ny tontolo ny famokarana ny rotsak’orana nisesy tao ho ao izay. Nisy ny fefiloha vaky tany Morarano ka lasa fefiky ny rano avokoa ny velaratanimbary hatrany amin’ny1000 ha

Very fanahy mbola velona ankehitriny ireo tantsaha, satria ilay rotsak’orana nantenaina hanatsara ny famokarana no lasa niteraka fahasimban-javatra. Betsaka ireo tanimbary no tototry ny bedana sy ny fasika. Ahiana hampihena ny voka-bary any alaotra ny fitohizan’ny rotsak’orana any an-toerana io raha tsy misy fanamboarana haingana ny mahakasika ireo fotodrafitr’asam-pamokarana ireo. Ireo tantsaha any amin’ny distrika Amparafaravola no tena voa mafy vokatr’ilay fahavakisan’ny fefiloha tao Morarano Chrome. Ankoatra ny fahavoazana teny an-tanimbary dia lalana maro no tapaka sy tsy azo aleha intsony. Vokatr’izany manararaotra mampiakatra saran-dalana ny mpitatitra sasan-tsasany. Miandry izay fandraisan’andriakitr’ireo manampahefana sy ny fitondram-panjakana ny vahoaka any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT