Actualités

Ora iray ho an’ny tany Nafana ny fanentanana amin’ny fampiasana fatapera mitsitsy


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Notanterahina ny sabotsy teo ny fanamarihana ilay ora iray ho an’ny tany andiany fahavalo nokarakarain’ny WWF. Diabe nanodidina ny ranon’Anosy no nisantarana izany, hetsika nanomboka nankalazaina teto amintsika ny taona 2007.

Anisan’ny nibahan-toerana tamin’izany ny fanentanana ny olona hanao ezaka entina  hampihenana  ireo karazana loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Anisan’ireny ny fampiasana herinaratra diso tafahoatra na dia  misy aza indraindray ny delestazy. Anisan’ny antony nanentanan’ny WWF  ny rehetra izany ny sabotsy mba hamono jiro miaraka izay nahitana fahombiazana tamin’ny ankapobeny. Tsy nijanona teo anefa ny hetsika fa nisy ihany koa ny fanentanana ny amin’ny tokony hampiasain’ny isan-tokantrano fatana mitsitsy hahafahana mampihena ny isan’ireo hazo tapaka eto amintsika. Ny  90 %-n’ny mponina manerana ny Nosy mantsy  raha araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra iray ity hatrany dia  mampiasa saribao avokoa. Raha miroso amin’ny fampiasana ireny fatana mitsitsy ireny anefa isika, hoy hatrany i Mialisoa Raharimanana dia mihena hatrany amin’ny 40 % ny vola mivoaka eo anivon’ny tokantrano sady tsy mandoto ihany koa. Narahina podium niarahana tamin’i Dama, …. moa ny hetsika nandritra izany, raha nisy ihany koa ny fifaninanana tsikonina tamin’ny alalan’ny fampiasana fatana mitsitsy notanterahin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahafito sy ny fahavalo avy amin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT