Actualités

“Opération Tandroka” Nitsoaka an-daharana ny FIS sy ny RAL ?


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2012

Mandeha be ny resaka nanomboka ny zoma hariva teo fa hoe marisarisa ny fifandraisana anatiny amin’ireo vondron-tafika nandrafitra ny hery manokana ao anatin’ny “Opération Tandroka” nalefa hanenjika dahalo tany Betroka ary efa nisy ampahany amin’ireo komando no nitsoaka an-daharana.

 Anisan’izany ny FIS (Forces d’Intervention Spéciale) sy ny ekipan’ny RAL (Régiment d’Artiellerie Lourde) ary mety hanaraka koa ny hafa. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia antony ara-bola (indray) no nahatonga izao fitsoahana an-daharana ireo komando tany atsimo izao. Tsy mbola niverina aty Antananarivo aloha izy ireo, raha ny resaka mandeha ihany fa toa hoe nijanona ao Ihosy aloha miandry izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaha sy izay mety ho fanapahan-kevitr’ireo tompon’andraikitra voakasika mivantana amin’ity resaka ity. Tany am-piandohana dia tokony hoe naharitra iray volana no nijanona ireo andiany voalohany nalefa tany Betroka, avy eo misy andiany manaraka misolo toerana indray.

Toa somary nisy ihany anefa ny fikorontanana teo amin’io tetiandro io, ny vola tambin-karama rahateo tsy tonga ara-potoana koa dia izay no nahatonga izao fialana an-daharana izao. Raha nipoitra ny asan-dahalo mahery vaika notarihan-dRemenabila tamin’ny fiandohan’ny volana jona 2012 dia efa nisy ny andian-tafika nalefa tany atsimo ka 36 000 Ariary isan’andro ny tambin-karama noraisina tamin’izay. Tsy tena nisy ny vokatra azo notsapain-tanana dia nalefa indray ny vondron-tafika manonakana tany Betroka saingy efa nahena 22 000 Ariary isan’andro io tambin-karama io.

Fa araka ny tsiliantsofina re ihany dia toa hoe sosotra ireto miaramila nalefa tany atsimo ireto, satria reraka fotsiny misambotra dahalo kanefa avy eo dia avotsotra indray ny azo. Izay aloha ny resaka mivoaka sy re tetsy sy teroa fa tsy fantatra koa izay mbola olana hafa. Raha ny vaovao farany nampitaina avy any atsimo moa dia hoe naratra Remenabila ary efa bataina fa tsy afaka mandeha intsony, saingy tsy mbola voasambotra kosa anefa izy. Voalaza fa miafina anaty ala ireto dahalo ireto ary mbola hanafika azy ireo ihany ny miaramila. Ny filohan’ny tetezamita moa dia nilaza fa mitohy foana ny “Opération Tandroka” ary hisy foana ny mpitandro filaminana apetraka any amin’ireo faritra mena. Izay ny kabary fa hafa kosa ny zava-mitranga rehefa avy eo. Dia ho hita eo indray moa ny hambaran’ireo ambaratongam-pitondrana ao amin’ny foloalindahy momba ity fitsoahana an-daharan’ireo komando nalefa any atsimo noho ny resa-bola sy ny tsy fitovian’ny tadin-dokanga eo amin’ireo vondrontafka mandrafitra ity hery manokana ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT