Mizaka ny tsy eran’ny ainy ireo Fokonolona ao amin’ny tanŕnan’i Miariomby any amin’ny Kaominina ambanivolon’i Mahabo, Distrikan’i Betroka.
Araka ny loharanom-baovao azo antoka tamin’ireo nanatri-maso, dia trano 70 tafo no nodoran’ireo mpitandro ny filaminana mpanao “Opération Tandroka” any atsimo, andro vitsivitsy lasa izay. Tsy ny trano ihany no voa fa kila forehitra avokoa ireo entana tao anatin’ireo trano marobe ireo, toy ny fitafiana, sakafo, fitaovana fampiasa andavanandro. Tsy manan-kialofana sy tsy manan-kohanina ireo mponina araka ny fanampim-baovao voaray. Tsy ao amin’io tanànan’i Miariomby io ihany no voalaza fa nitondra faisana fa ny tao amin’ny tanàna atao hoe Voromiantsa, Kaominina Ivahona mbola any amin’ny toerana anaovana ity “Opération Tandroka” ity, ary dia may hatramin’ny EPP. Manoloana izany, tsy afa-mianatra ireo kilonga fa lasa mirenireny.
Very fanahy mbola velona ny mponina. Anton’izao fandoroana trano izao, araka ny nambaran’ny nanatri-maso hatrany dia noho ny fahadisoam-panantenana nahazo ireo mpitandro ny filaminana tsy nahatratra ilay olona na ireo malaso ekipan-dRemenabila noheverina fa miafina tamin’ireo tanàna ireo. Zary mijaly tsy satry ireo mponina. Nisy aza niloa-bava fa raha izao no fampandrian-tany ataon’ny mpitandro ny filaminana, aleon’izy ireo tsy nisy.
Manoloana izany tranga izany manao antso avo amin’ny tomponandraikitry ny filaminana, indrindra any amin’ny fitondrana tetezamita mba hijery sy hanara-maso akaiky ny fomba fiasan’ireo miaramila manao “Opération Tandroka” amin’iny faritra atsimo, indrindra any amin’ny Distrikan’i Betroka ny mponina. Matetika mantsy, hoy ny nambaran’ireo solontenam-pokonolona dia voafahan-dalitra hatrany ny mpitondra noho ny tatitra vilana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Raha izao no mitohy dia ahiana tsy hatoky ny mpitandro ny filaminana intsony ireo mponina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.