Actualités

« Opération fahalemana » any Tsiroanomandidy Tena mihoa-pefy ny miaramila


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Taorian’ny fanambarana tamin’ny haino aman-jery samihafa nataon’ireo solontenan’ireo fianakaviana niharam-boina tany Tsiroanomandidy amin’ny filazan-dry zareo fa mamono olona fahatany ny miaramila mpanao ny

 

« opération fahalemana » any an-toerana dia nanamafy izay voalaza ny depiote voafidy tany an-toerana, Ramaherijaona Hajanirina Lanto, fa : « betsaka tokoa ny vahoaka nitaraina taminay ary ny tena nahita maso rahateo ny tena, fa tena manao fihetsika mihoa-pefy ny miaramila amin’ny fanatanterahana ny hetsika « Opération fahalemana » misy ankehitriny. Na dia nilaza aza ny praiminisitra tamin’ny fitafana nivantana tamin’ny depiote ny zoma teo fa mizotra tsara ity « opération » ity any amin’ny toerana maro manerana ny nosy dia tsy dia izany velively ny miseho any Tsiroanomandidy any ». « Tsy malaina amin’ny miaramila izahay fa anisan’ny tena ilaina amin’ny fampandriana fahalemana izy ireo fa manahirana kosa ny fihoaram-pefy toy ny fanapoahana basy fahatany sy fakana olona tsotra izao any an-tranony na any an-tsena ka tifirina fahatany fotsiny izao. Tsy miaro be fahatany an’ireo maty ny tenako fa heveriko  fa ho fiarovana fotsiny izao ny zon’olombelona na sanatria nanao ratsy aza izy ireo dia zony ny hotsaraina fa tsy vonovonoina fahatany ». « Efa iny nanaovanay tatitra nivantana teny Tsimbazaza tamin’ny zoma iny moa ity resaka ity, hoy ity depiote ity, ho fantatry ny praiminisitra sy ireo tompon’andraikitra hafa mahefa ka dia efa nisy ny fandraisana andraikitra nifanandrify amin’izany aloha hatreto ».

Ntsoavina Evariste

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT