Ny herinandro nivalona iny, roa andro taorian’ny nandevenana an’ity ramatoabe iray mananika ny 65 taona, monina amina fokontany iray ao Toliara voalazan’ireo mpiara-monina ho mpamosavy maty namono tena nitelina poizim-boalavo. Izy efa tsy nisy aina vao maraina no hitan’ny havany.
Vaky ambatolampy ny nafenina hatrizay, satria niady lova ny zanany roa ary nifanalabaraka imasom-bahoaka. Vetivety dia niparitaka sy niely eran’ny tanàna ny vaovao. Raha ny karo-baovao dia ny volana desambra lasa teo ity ramatoabe ity no voadaroka rehefa nanakotaba sy nandihidihy teo an-tokotanin’olona mifefy tamin’ny alimbe. Naratra teo amin’ny tongony havia ity mpamosavy ity ary nanomboka teo tsy nety sitrana ny fery teo amin’ny tongony na dia notsaboina sy nandaniana vola aman-karena aza. Ankevitry namoifo ity ramatoabe ity, satria mbola hita tao amin’ny trano natoriany ny fonosana nisy ilay poizina.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.