Actualités

Oniversiten’i Vontovorona Mitokona indray ireo mpianatra


  • Talata 09 Jona 2015

Nitokona indray ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Vontovorona omaly. Nobahanan’izy ireo ny lalana mampitohy an’i Vontovorona sy ny renivohitra ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana.

 Tao anatin’ny fifanjevoana dia nitora-bato ny mpitandro ny filaminana ny mpianatra  ary nanapoaka baomba  mandatsa-dranomaso ny foloalindahy teny an-toerana vao nirava ny fifandonana. Nisy tamin’ireo mpianatra no notazonin’ny mpitandro ny filaminana fotoana vitsy fa navotsony ihany avy eo. Fitakiana vatsim-pianarana sy ny fanampiana ireo mpianatra amin’ny fomba fampiharana ny rafitra LMD no antony nahatonga izao fitokonana izao. Marihina fa tsy vao izao no nitaky  izany vatsim-pianarana sy ny fanampiana azy ireo  amin’ny fidirana  amin’ity rafitra ity satria misy ilana vola ny fanatanterahana izany ho an’ny mpianatra. Mitovy tsy misy valaka amin’izany ihany koa ny fitakian’ny mpianatra teny Ankatso izay mbola maro ireo  mpianatra eny anivon’ny sampam-pianarana samihafa no miandry.

Andry Ratovo     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT