Actualités

Oniversiten’i Toamasina - Vatsim-pianarana « Miankina amin’ny fisoratana anarana », hoy Atoa Velo Jérôme


  • Alatsinainy 11 Mey 2015


 

Feno roa volana amin’ity volana mey ity ny nianaran’ny mpianatra ao amin’ny oniversite Barikadimy Toamasina. Efa niaraka amin’izany koa ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny oniversite entina handraisana amin’ny toerana tsara ny mpianatra mandranto fahaizana ao aminy. Tsy mbola misy resaka kosa ny momba ny vatsim-pianarana sy fampitaovan’ny mpianatra, raha efa mahatonga olana amin’ny fitokonana izany amin’ny oniversite hafa, Antananarivo sy Mahajanga. “Miankina amin’ny fahavitan’ny mpianatra ny fisoratana anarana ny fanomezana ny lisitra omena ny minisitera, hahafahan’izy ireo mikajy ny vola mifanaraka amin’izany eo amin’ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana”, hoy Atoa Velo Jérôme filohan’ny oniversite Barikadimy Toamasina. Nomarihany aza fa hatramin’izao dia mbola misy amin’ireo mpianatra no tsy nahavita ny fandoavana ny fisoratany anarana na efa nekena nianatra ihany tao anatin’izay roa volana izay. Raha misy ny fahataran’ny vatsim-pianaran’izy ireo sy ny fampitaovana dia izy samy mpianatra ihany no antony, fa efa manao ny ezaka rehetra ny mpitantana sy ny komitim-pitantanana amin’ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny mpianatra, hoy hatrany Atoa Velo Jérôme.

 

Rakoutou

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT