Efa-taona taorian’ny nanomanana ny sampan’ny oniversiten’i Toamasina tao Fenoarivo atsinanana, dia tanteraka izany ankehitriny ary handray mpianatra ny fidirana ofisialin’ny oniversiten’i Toamasina anio alatsinainy 09 martsa
. Ny ISTRCE na “Institut Supérieur de Technologie Régional de la Cote Est” manana ny foibeny ao Itendro ary efa manana mpianatra 217. “Nosafidiana manokana ny fampianarana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fitantanana, satria toerana mpamokatra sy fototry ny vokatra fanondrana maro analanjirofo”, hoy ny filohan’ny Oniversite Atoa Velo Jerome. Ho an’ny filoham-pitantanan’ny oniversite Atoa Velomita Ferdinand kosa, rariny raha hahazo sampana toy izao ny ao Analanjirofo satria efa maherin’ny zato taona no nisian’ny EPP voalohany tany an-toerana, ka noho izany manana taha ambony amin’ny fampianaran-janaka ny faritra, nefa voatery mandeha faritra hafa vao afaka mandranto fianarana ambony ny zanaky ny faritra. Ny sekretera jeneralin’ny minisitera kosa dia nilaza, fa politika entin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ny fanapariahana oniversite toy izao, satria raha ny tarehimarika navoakan’ny Unesco dia tanora malagasy 400 amin’ny 100.000 no mba tonga eny amin’ny oniversite, raha 3.240 izany ao Maorisy. Tsy ho vitan’ny fampianarana « Agro » sy Fitantanana fotsiny koa no hapetraka fa ho avy ny fampianarana momba ny tontolon’ny ranomasina sy ny harena ao anatiny, izay iarahana amin’ny Région Bretagne frantsa. Ankilan’izay, dia ao Fenoarivo Atsinanana araka ny nambaran’ny Profesora Mangalaza Eugene Régis no hanaovana ny « Doctorat » voalohany mikasika ny « Université Numérique » ao Toamasina. Ny minisitry ny indostria Atoa Rafidimanana Narson kosa nanambara fa antoky ny fampihavanana apetraky ny filoha ny fanapariahana sampam-pianaran’ny oniversite amin’ny faritra Toamasina, mba hampitoviana lenta ny zanaka malagasy isam-paritra. Ankoatra izany, dia mbola hitarina ny oniversite ao Analanjirofo ity satria nanolotra tany 85ha ny faritra analanjirofo sy tany 05ha ny taranaka Zanamalata…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.