Actualités

Oniversiten’i Barikadimy “Tsy nandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra...” hoy i Tongavelo Athanase


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Tonga tao Toamasina mihitsy ny faran’ny herinandro teo ny minisitry ny fampianarana ambony, Tongavelo Athanase, namaha ny olan’ny mpianatra, tamin’ilay nahafaty an’i Andrianjaka vokatry ny lozam-pifamoivoizana nanoloana ny oniversiten’i Barikadimy.

Nisy ny tafa nifanaovany tamin’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 22 mandranto fianarana ao Barikadimy. Nahitsy ny tenin’i Tongavelo Athanase nilaza fa “tsy maintsy misazy ary hotsaraina ilay miaramila nahadona ka nahafaty an’i Andrianjaka. Tsy azo ekena izany mahafaty olona ho votsotra fotsiny izany, izao fahafahana vonjy maika azony izao aza efa olana, satria mazava ny lalàn’ny fifamoivoizana fa izay manao loza ka mahafaty olona dia miditra am-ponja avy hatrany aorian’ny fanadihadiana samy hafa atao aminy mialoha ny fitsarana”. Nandritra izany no nitondran’i Tongavelo Athanase ny fialan-tsininy sy ny fifonany avy amin’ny fitondram-panjakana tetezamita, ny tsy fandraisana andraikitra teo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia ny filohan’ny oniversite, ny lehiben’ny faritra ary ny teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, namaha izao olan’ny mpianatra izao. Nolazainy koa fa ny “fanerena ny mpianatra hiantoka ny vidin’ilay moto 3 tapitrisa ariary nodoran’ny mpianatra no nahamaika azy ireo, fa tsy ny fandaminana ny alahelon’ny mpianatra izay namoy namana”. Fantatra mantsy fa ny talata lasa teo dia nangataka fihaonana tamin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, ny fikambanan’ireo mpianatra fa tsy noraisin’ity farany. Nisy rahateo tamin’io fotoana io ny fivoriana nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitry ny tafi-bahoaka sy ny mpitandro ny filaminana momba ity raharaha ity, ka noho io olana io no nahatonga ny fitokonana tao amin’ny oniversiten’i Toamasina nandritra ny talata hatramin’ny zoma teo.

Tamin’izao fihaonana teo amin’ny minisitry fampianarana ambony sy ny fikambanan’ny mpianatra izao koa no nisian’ny fifanazavana teo amin’ny roa tonta, ka anisan’ny voalaza nandritra izany ny “fandrahonana nataona kolonely lehibena vondrona tobina zandary misahana ny faritra atsinanana sy miaramila naka an-keriny mpianatra izay nampitahorina hotifirina”. Nivantana ny minisitra Tongavelo Athanase mikasika izany fa “tsy azo ekena izany fandrahonana mpianatra izany. Efa nanao tatitra tamin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena aho. Tokony hotandremana ihany ny teny ambara fa mpianatra hiaraha-mitaiza ireo ao Barikadimy ireo, ka raha misy ditra ataony dia anatra sy famahana ny olana no tokony hafainganina”.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT