« Na ho inona hidona, na ho inona ny hihatra, tsy hampianatra sy tsy hampanao fanadinana ary tsy hiasa fa hikatona ny tontolon’ny oniversite, raha tsy misy ny vahaolana amin’ny fitakiana », izay no nambaran’ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, raha nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpianatra sy ny mpandraharahan’ ny oniversite omaly alarobia tao barikadimy. Hentitra tamin’ny teny nambarany ireto mpampianatra mpikaroka ireto, tamin’ny alalan’ny filoha lefiny Rtoa Fenotsara Razafy Marie fa « tsy afaka miasa ao anatin’ny teti-bola 10% ‘ny oniversite, ary tsy manaiky ny famahanan-dalitry ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny minisitry ny teti-bola ary ny minisitry asam-panjakana, milaza fa efa tonga eo anivon’ny trésor ny volan’ny oniversite, izay mbola ‘aotra’ hatramin’izao ».
Nohamafisin’izy ireo hatrany koa teo imason’ny mpianatra fa « marary ny oniversite manerana ny nosy ka mila fitsaboana haingana efa miala aina izy ankehitriny ; milaza ny mitsitsy ny fanjakana FAT fa hoe tsy misy ny vola, hiaraha-mahita anefa fa ireo atahorana sy manana basy ary ny mpanao politika, dia tsy miafy mihitsy … » ; nanamarina izany ny filazan’ireto mpampianatra mpikaroka fa « efa tafiditra tao anatin’ny taratasy fandraisam-bolan’ny mpampianatra sasany tao Antananarivo ny tambin-karama samy hafa takiana ity ny volana desambra 2009, nefa tamin’ny ora farany dia tsy nisy indray ilay vola fa nandoavana ny tambin-karaman’ny tafika sy ny foloalindahy ary ny polisy ». Tsy manohitra ny fitokonana ataon’ireo mpampianatra mpikaroka ao barikadimy ireo mpianatra, fa ny olana amin’ireo araka ny nambaran’izy ireo dia « ny fanadinana tsy mandeha ka matahotra taona fotsy izahay, ny vatsim-pianarana roa volana tsy ho hisy noho ny tsy fisian’ny vola eo anivon’ny oniversite, arytena manjavozavo beihany ny ho avin’ireo zandrinay vao afa-panadinana bakalorea mikasa ny hiditra oniversite kanefa naato avokoa ny fandraisana sy ny fifaninanana rehetra ».
Raha ny fandaharam-potoana tokoa, dia tokony nisy fanadinana fifaninana hiditra ho mpianatra tao amin’ny « polytechnique » omaly alarobia tao barikadimy, saingy tsy tanteraka izany. Nambaran’ireto mpampianatra mpikaroka ireto mikasika ny ahiahin’ny mpianatra izay dia « tsy miankina amin’ny SECES ny hampisy na tsia ny vatsim-pianarana 2 volana ho anareo, fa miankina amin’ny fahatongavan’ny teti-bolan’ny oniversite izany ; ny momba ny taona fotsy kosa, dia nanome toky ny mpampianatra mpikaroka fa tsy ho hisy izany ary tsy maintsy mandeha ny fampianarana sy ny fanadinana raha vao mivaha ny olana ».Ankoatra izay, napetraky ny mpampianatra mpikaroka ao barikadimy ireo mazana nandritra ny fihaonana fa « tsy fanasaziana, na fahatezerana amin’ny mpianatra ny anton’ny fitokonana, fa ho fitsinjovana ny ho avin’ny oniversite» ; ka ny hahatratrarana ny tanjona amin’izany, dia « ny fialan’ny minisitry ny fampianarana ambony, fanomezana ny tetibola ny oniversite, fandoavana ny ora fanampiny ny mpampianatra, ary fandoavana ny tambin-karama efa nomen’ny lalàna sy zon’ny mpampianatra » ; tontosa ireo dia miverina ny fampianarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.